Fambolena fary ao Vatomandry: nentanina ny mpamboly fary any amin’ny Distrikan’I Vatomandry hiomana amin’ny fijoroan’ny ozinina hamokatra siramamy

Vokatry ny fitokisana ny Fitondrana Foibe sy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, hisy ny fampiasam-bola goavana ho ataon’ny sehatra tsy miankina hananganana orinasa hamokatra siramamy any Ampasintsiry Ilaka-est amin’ity taona ity.
100 ha ny velaran-tany hametrahana ny ozinina ary 1400 ha no hambolena fary.
Nijery ny famokarana sy nanentana ny mpamboly tany Ilaka-est sy Niarovana Caroline, Distrikan’I Vatomandry notarihan’ny Talen’ny Kabinetra sy ny Tale Jeneralin’ny Indostria niaraka tamin’ny tompon’andraikitra eto amin’ny Minisitera omaly 9 janoary 2022.
Hamokatra siramamy 70.000 T isan-taona ny ozinina.

Vous aimerez aussi...