Famerana ny vidin’entana farany ambony: Narahi-maso koa ny eny Ankaraobato

Taorian’ny kaominina Bemasoandro dia ny kaominina Ankaraobato indray no nanohizan’ny ekipan’ny DPC ny fanaraha-maso ny vidin’entana omaly Alarobia 11 Mey 2022. Nisy ny dinik’asa niarahana tamin’ny Ben’ny tanàna sy ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Mpiara-miasa hatrany amin’ny minisitera amin’ny fampanajana ny fepetra famerana ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro izy ireo. Nitohy tamin’ny fidinana teny an-tsena izany.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...