Famerana ny vidin’entana
Nisafo ny teny Avaradrano ny MICC sy ny fikambanana PMH
Hateloana mialohan’ny hampiharana ny fepetra famerana ny vidin’entana farany ambony indrindra dia nidina teny Sabotsy Namehana sy Ambatofotsy ny DPC sy ny Fikambanan’ny mpanjifa PMH tamin’ny Zoma 8 Aprily 2022 lasa teo. Nentanina ireo mpivarotra mpaninjara hanaja ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana ho tombontsoan’ny mpanjifa. Tsikaritra fa latsaky ny 9500Ar avokoa ny vidin’ny menaka teny an-toerana. Momba ny lafarina sy siramamy dia nampahatsiahivina fa mihatra manomboka amin’ity vaninandron’ny Alatsinainy anio ity ny fepetra famerana.
Sary DPC