Famerana ny vidin’entana:Nirotsaka an-tsehatra ny Fitaleavam-paritra any Menabe, Ihorombe, Boeny, Atsimo Atsinanana sy Alaotra Mangoro
Nanomboka niroso amin’ny fampiharana ny fepetra napetraky ny Fanjakana momba ny famerana ny vidin’entana ambony indrindra sy ny tombony azon’ny mpivarotra alaina eo amin’ny entana ilaina andavanandro (PPN) ireo Fitaleavam-paritra (DRICC). Nifampidinika avy hatrany tamin’ireo mpandraharaha ara-barotra voakasika ireo Talem-paritry ny Varotra ireo. Nitondra fanazavana ihany koa mikasika ny lalàna mifehy ny fifaninanana 2018-020 izay mamela ny fandraisan’ny Fanjakana ity fanapahan-kevitra ity. Nisy ireo Talem-paritra namelabelatra izany tamin’ireo haino aman-jery any an-toerana ho fanamafisana.
Sary DRICC