FAMETRAHANA FOTODRAFITR’ASA MPAMOKATRA FANAMPIN-TSAKAFO ANY ATSIMO

Vaindohan-draharaha eo amin’ny fanjakana malagasy amin’izao fotoana izao ny fametrahana vahaolana maharitra manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo. Noho izay finiavana iraisana izay indrindra dia nifanatona ny fanjakana malagasy, ny Fondation Mérieux ary ny vondrona Nutriset. Ny tetikasa iraisana hovatsian’ny Fondation Mérieux vola ka iarahana amin’ny fikambanana Fitia izay miara-dia hatrany amin’ireo ankolafy mikendry ny hanampy ara-tsakafo ny mponina any amin’ny faritra Atsimo dia ny fametrahana fotodrafitr’asa mpamokatra fanampin-tsakafo na « container-usine » ao Taolagnaro. Famokarana ifotony ny fanampin-tsakafo ilain’ny mponina any an-toerana izay mifanaraka indrindra amin’ny vinan’ny MICA dia ny fametrahana indostria isam-pafitra mikasika izay famokarana ifotony izay. Noho izany indrindra dia tontosa ny 15 martsa lasa teo tetsy amin’ny MICA Anosy ny fanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny Fondation Mérieux, ny vondrona Nutriset ary ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana mikasika izay tetikasa fametrahana fotodrafitr’asa any amin’ny faritra Atsimo izay.

Vous aimerez aussi...