Fametrahana kolontsaina tia fandraharahana eo amin’ny tanora

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an’ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy famaranana teny amin’ny Sekoly Rainandriamampandry Ankadifotsy ny Minisitra Edgard Razafindravahy
Nizara ny traikefany eo amin’ny sehatry ny fandraharahana nandritra izany fihaonana izany ny Minisitra Edgard Razafindravahy omaly 16 aprily 2024. Naneho ireo mpianatra fa liana amin’ny tontolo fandraharahana ary betsaka no efa manana vinavina hanangana tetikasa mikasika izany.
Nahazo fanentanana ireo mpianatra 100 mianadahy ary navitrika tokoa izy ireo tamin’ny fifanakalozana natao niaraka tamin’ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana (DPE). Niompana tamin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fanazavana ny atao hoe kaoperativa ny fizarana natao. Maro ireo mpianatra no izay vao nahalala fa tsy ny fitaterana ihany no afaka mivondrona anaty kaoperativa fa ahitana seha-pihariana maro afaka mivelatra anaty orinasa kaoperativa toy ny famokarana, varotra, fanodinana vokatra…
Vonona hatrany ny MIC hanohana ireo tanora hampiroborobo ny fandraharahana izay fanoitra ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena malagasy.

Vous aimerez aussi...