Fametrahana kolontsaina tia fandraharahana eo amin’ny tanora:Nahazo fanentanana ireo tanora 78 ao amin’ny kilasy famaranana eny amin’ny « Lycée Ivato »

Mitohy hatrany ny fandraisan’ny MICC anjara amin’ny fanabeazana ny tanora malagasy ho tia fandraharahana sahady dieny mbola any an-tsekoly. Nanao fanentanana teny amin’ny Lycée Ivato ny ekipan’ny DPE omaly 15 jona 2022 ka tsapa fa liana tokoa ireo tanora ireo. Tanjona napetraka eto anivon’ny minisitera moa ny fampiroboroana ny fandraharahana eto Madagasikara ho fampandrosoana ny ara-toekarena sy ara-tsosialy.
Sary DPE

Vous aimerez aussi...