Fametrahana ny karatra biometrika, Vakinankaratra
Isan’ny sehatra maneho ny endrik’i Madagasikara ny asa tanana malagasy. Ao anatin’ny firosoana tanteraka ao amin’ny mahamatihanina ity sehatra ity amin’izao fotoana izao. Mitohy any amin’ny Faritra Vakinankaratra ny fametrahana ny karatra biometrika. Tao anatin’izany hetsika izany ihany koa dia nanolotra fitaovana mifanaraka amin’ny toetr’andro ankehitriny ho an’ny Fablab eo anivon’ny « Centre Régional de l’Artisanat Malagasy » na ny CERAM tao Antsirabe ny delegasionan’ ny MICA.