Fametrahana ny kolontsaina fandraharahana eo amin’ny tanora:Nahazo fanentanana avy amin’ny DPE ny mpianatry ny “Lycée Ambohimanarina”.
Miezaka ny MICC mandray anjara eo amin’ny fanabeazana ny tanora dieny any an-tsekoly hahay hikolokolo ny toetsaina mandraharaha. Mitohy tsy tapaka ny fanentanana ataon’ny ekipan’ny DPE (Foiben-draharaha misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana) eto anivon’ny minisitera. Ireo mpianatra miisa 70 mianadahy ao amin’ny kilasy famaranana ao amin’ny « Lycée Ambohimanarina » no nisitraka fampahafantarana sy fizarana momba ny tontolon’ny fandraharahana. Tsikaritra fa liana ny tanora ankehitriny ary tsy vitsy an’isa izy ireo no efa manana vina handraharaha any aoriana.
Sary DPE