Fametrahana ny vidiny araka ny tokony ho izy eo amin’ny entana ilain’ny mponina andavanandro (PPN)
Nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina ny ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy androany maraina. Nambarany nandritra izany ny fametrahana ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro na PPN izay vokarina eto an-toerana ary tokony ho hita ao anatin’ny haron’ny mpanjifa na « panier menagère » mandritra ny enim-bolana fara-fahakeliny. Ho fitsinjovana mandrakariva ny mpanjifa no nandraisana an’izao fanapahan-kevitra izao niaraka tamin’ireo mpandraharaha sy mpamokatra entana eto an-toerana.
Nifanarahana tamin’ireo mpamokatra sy mpandraharaha ny fametrahana ny vidiny araka ny tokony ho izy tahaka izao :
-Menaka :
* Tsy tokony hihoatra ny 6000 ariary ny litatra amin’ny « huile de palme » antsinjarany.
***7500 ariary kosa ny litatry ny menaka amin’ny tavoahangy ho an’ny “huile de soja” raha tsy hihoatra ny 7000 ariary ny litatra amin’ny “en vrac”;
-Siramamy : Tsy tokony hihoatra ny 2600 ariary ny iray kilao;
-Lafarinina: Tsy hihoatra ny 2600 ariary ny iray kilao;
-Vary : Tsy hihoatra ny 2300 ariary ny iray kilao.
Nohamafisin’ny ministra Edgard Razafindravahy fa tsy fitsabahan’ny Fanjakana amin’ny asa fandraharahana ara-barotry ny tsy miankina na “interventionnisme”akory izao vahaolana momba ny fametrahana vidin’entana araka ny tokony ho izy izao. Vokatry ny fanarahana ny lalan’ny entana vokatra eto an-toerana niainga tany ifotony hatreny an-tsena no nahafahana nametraka an’ireo vidin’entana tokony ho izy ireo, sady nifanarahana tamin’ireo mpandraharaha isan-tsokajiny.