Famindrana amin’ny fomba ofisialy ho an’ny micc ireo fitaovana avy amin’ny tetik’asa santatra novatsian’ny vondrona eoropeanina vola

Notanterahina omaly Alarobia teto amin’ny Minisitera ny famindrana na fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana nampiasaina tamin’ny tetik’asa Santatra, izay novatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola, mba hanampiana an’i Madagasikara amin’ny ezaka fampiroboroboana ny varotra ivelany.

Ny fifanolorana dia natao teo amin’ny solontenan’ny Minisiteran’ny Vola (Tale misahana ny BACE) sy ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, Varotra sy ny Fanjifana (Tale misahana ny Varotra Ivelany), izay natrehin’ny solontena avy ao amin’ny Vondrona Eoropeanina.

Ity tetik’asa ity moa dia nisahana ny fampandrosoana ara-ekonomika sy ny fampiroboroboana ny fanondranana entana avy eto Madagasikara, fa indrindra dia nentina hanampiana teo amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana ara-barotra « Accord de Partenariat Economique intérimaire ».

Isan’ ireo nisitraka ny fanampiana avy amin’ny tetik’asa ny sehatra tsy miankina, mikasika ny lamba sy ny jono, mba hampitombo bebe kokoa ny fahafahan’izy ireo misehatra amin’ny tsenam-barotra.

Na dia efa nifarana aza ny tetik’asa dia natao izao famindrana ofisialy izao mba hitohizan’ny ezaka ho amin’ny fampandrosoana ara-barotra sy ara-ekonomika fa indrindra mba hanampiana ny minisitera amin’ny adidy iandraiketany.

Sary DCE

 

Vous aimerez aussi...