Fampanarahan-dalana ny orinasa: Nisafo teny amin’ny orinasa TANACREX sy UNIPLAST ny ekipan’ny DII

Mitohy hatrany ny fanaraha-maso sy fidinana ifotony izay tanterahin’ny eo anivon’ny DII (Foibem-pitondrana misahana ny Fotodrafitrasa sy ny Fanavaozana) eto amin’ny MICC, mba ho fampanarahan-dalàna ara-teknika sy ho fitsinjovana ny tontolo manodidina ny orinasa.

Voakasik’izany ny orinasa TANACREX izay misehatra eo amin’ny famokarana bokotra sy etikety eny Talatamaty sy ny orinasa UNIPLAST izay eo an-dalam-panitarana ary hamokatra “pots” sy kaopy eny Sabotsy Namehana.

Izany moa dia notanterahana mialoha ny hanomezana azy ireo ny fahazoan-dalana ara-panjakana avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana.

Sary DII

Vous aimerez aussi...