FAMPANDROSOANA ARA-TSOSIALY

 

Tontosa anio tetsy amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely ny fanaovam-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra CUA – Commune Urbaine d’Antananarivo sy ny Fondation Axian miaraka amina vondrona miisa 9 ka isan’ireo vondrona ireo ny Ivon-toerana Nasionalin’ny Asatanana Malagasy ( Cenam 67ha-Sud ) ho fandraisana anjara amin’ny fanohanana ireo fianakaviana tsy manan-kianlofana monina ao amin’ny Akany Iarivo Mivoy nanomboka ny fisian’ny valan’aretina teto amin’ny tanin’i Madagasikara izay hiandraiketan’ny CUA sy ny Fondation AXIAN. Ho an’ny CENAM, izay isan’ny antokon-draharaha Albany fiahian’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana, dia miditra an-tsehatra eo amin’ny fampahaizan’asa sy fanomezana fiofanana ho an’ny mpanao asatanana sy natokana ho an’ny karazana asa manodidina ny asatanana manaraka ny haitao vaovao. Ny CENAM dia mandray anjaran mavitrika araka izany eo amin’ny fanohanana ara-teknika amin’ny alalan’ny fanofanana ireo fianakaviana sahirana monina ao amin’ny Akany Iarivo Mivoy. Ity fifanarahana ity moa dia marihana fa haharitra hatramin’ny volana Janoary 2022.

 

Vous aimerez aussi...