Fampandrosoana : fanomezan-danja ireo mpisehatra ara-toekarena

Hetsika « Salon International des Acteurs Economiques » na SIAE, mampivondrona ireo mpisehatra ara-toekarena nasionaly sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena
Nanomboka androany 13 oktobra 2022 ny hetsika SIAE andiany voalohany etsy amin’ny CCI Ivato ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 16 oktobra ho avy izao. Miara-mientana avokoa ireo mpisehatra ara-toekarena ahafahana manatanteraka ny fisandratana sy ny fanarenana ny toekarena eto Madagasikara tao aorian’ny krizy nandalo. Tafiditra ao anatin’ny fitaovana maro hanarenana ny toekarena ny fanaovana ireo fifanarahana iraisam-pirenena isan-karazany miaraka amin’ny mpisehatra matihanina hanamafisana ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Mifandray indrindra amin’ny famerenana indray ny hasina sy ny lazan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) manerana ny Nosy ity hetsika izay karakarain’ny Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara (FCCIM). « Mitàna anjara andraikitra goavana eo amin’ny fampandrosoana ny toekarena malagasy ireo CCI manerana ny Nosy ary manamafy hatrany ny fifandraisan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny fisian’izy ireo. » hoy ny Talen’ny Kabinetra eto amin’ny MICC, Andry Voniharinjaka nandritra ny fanokafana ny SIAE.

Vous aimerez aussi...