Fampandrosoana ny sehatry ny asatanana malagasy

Manoloana ny fivoaran’ny NTIC amin’izao fotoana izao dia miezaka ny manaraka izany fiovana izany ihany koa ny sehatry ny asatanana. Tontosa ny 02 Desambra lasa teo ny atrikasa famelabelarana mikasika ny “application” manamora sy manafaingana ny fifanakalozana ny tolotra sy ny tinady izay novolavolain’ny mpanao asatanana ihany. Nitondra ny fanohanana ara-teknika nandritra ny atrikasa ny MICA izay nosolon’ny Tale Jeneraly misahana ny Asatanana, Atoa KAJALY Audace tena. Ity “application” ity dia ahafahan’ny mpanao asatanana mampivelatra ny lalam-barotra, manamora ny fividianana akora fototra ary mampitombo ny varotra.

Vous aimerez aussi...