FAMPANDROSOANA SY FAMPAHAIZAN’ASA NY SEHATRY NY ASATANANA MALAGASY

Tontosa anio tetsy amin’ny Ankohonana Sahirana Arenina (ASA) Andrainarivo ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo andiany faha 16 eo amin’ny sampam-piofanana Asatanana misy seha-pihariana isan-karazany (vannerie, corne, broderie, maroquinerie, marqueterie) sy ireo andiany faha 9 eo amin’ny sampana « Plomberie » izay misalotra ny anarana hoe « AMPINGA » rehefa nanaraka fiofanana nandritra ny taona iray tao amin’ny « Centre de Formation Artisanale » ao amin’ny ASA ireo tanora miisa 87 mianadahy. 
Ho an’ny MICA dia vina napetraka ny mampiditra ny mpanao asatanana ao anatin’ny sehatra matianina ary afaka hifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Araka izany dia nanolotra karatry ny mpanao asatanana matianina ho an’ireo tanora miisa 7 mendrika indrindra tao amin’ity andiany AMPINGA ity ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Asatanana ho fanohanana azy ireo eo amin’ny fidirana amin’ny tontolon’ny asa. «Isan’ny fanamby lehibe ho an’ny minisitera ny hametraka ny sehatry ny asatanana ho asa fivelomana mendrika ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena malagasy » hoy Atoa RAMANANKAVANA Christian, Tale Jeneraly misahana ny Asatanana eto amin’ny MICA.

Vous aimerez aussi...