Fampiantranoana ny fivoriana iraisam-pirenena hanombanana ny kalitaon’ny cacao amin’ny 2023 : naharesy lahatra ny mpivory tany abidjan cote d’ivoire ny minisitra edgard razafindravahy

Vokatry ny faharesen-dahatra mafonja sy ny fandraisan’anjaran’ny minisitra Edgard Razafindravahy mivantana tamin’ny fivoriana momba ny cacao notanterahana tany Abidjan Côte d’Ivoire dia i Madagasikara no voafidy handray ny fivoriana lehibe iraisam-pirenena hanombanana ny kalitaon’ny cacao amin’ny faran’ny volana jona 2023.
Teo ankilan’i Madagasikara dia niisa 2 ireo firenena nifaninana handray izany dia i Pérou sy Vénézuela.
Fotoan-dehibe ho an’ny sehatry ny cacao io fivoriana iraisam-pirenena hanombanana ny kalitaon’ny cacao io satria hihaonan’ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena.
Fotoana koa hijerena ny tanjak’ireo Firenena mpamboly . Ho fantatra aorian’izay ny cacao tsara sy mendrika indrindra sy ny anjaran’ireo Firenena isanisany amin’ny fanondranana ataony.
Na dia antonontoniny ihany aza ny vokatra cacao eto amintsika, 14000 T hatreto, dia azo lazaina fa manana kalitao tsara isika. Tsy mbola hita taratra loatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena saingy manantena isika fa aorian’ny fandraisana io fivoriana io dia hanana ny hasiny ny vokatra Malagasy.
Izay rahateo no tanjon’ny fivoriana hamaritana ny kalitao. Hisarika ny mpanjifa eran’izao tontolo izao ny cacao Malagasy.
Ny kalitaon’ny cacao izay ho ankatoavin’ny manam-pahaizana iraisam-pirenena dia hitondra tombontsoa lehibe ho an’ny Firenentsika manomboka any amin’ireo tantsaha mpamboly.

Vous aimerez aussi...