Fampiharana ny famerana ny vidin’entana

Ambohipo, Andohan’i Mandroseza, Mahamasina Atsimo, Tsimialonjafy, Ampefiloha Ambodirano, Andavamamba, Ambilanibe,Antsahabe, Volosarika, Ampitatafika, Anosizato Ambanimaso sy Antanàna ambony. Samy nidinan’ny ekipan’ny DPC sy ny Fikambanan’ny mpanjifa MCI ireo androany ho fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra famerana ny vidin’entana ilaina andavanandro. Nentanina hatrany ireo mpivarotra hanaraka ny toromarika. Nisy ireo mbola tsy nanaja ny fepetra ka nobeazina ary nanitsy avy hatrany ny vidin’entana.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...