Fampiroboroboana ny fandraharahana: nitondran’ny DPE fanazavana mivantana ny momba ny Taninketsa Indostrialy sy ny kaoperativa

Fanentanana mba hananana toe-tsaina fandraharahana, fampahafantarana momba ny sehatra kaoperativa ary fizarana momba ny Taninketsa Indostrialy no notanterahana tetsy amin’ny Maison de la PME etsy Analakely ny Zoma 16 Jona 2023. Nanatrika izany ny avy amin’ny fikambanana « Association Femme Auto -Entrepreneure à Madagascar », ny avy amin’ny orinasa mpamokatra sy mpanodina vokatry ny fambolena, solontena avy amin’ny Capital M ary avy amin’ny Fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana samihafa.

Liana tamin’ny fifanakalozana sy ny tantsoroka

Entin’ny MICC ho fampiroboroboana ny fandraharahana ireo mpandray anjara.

Mbola hisy ny fifanatonana ho an’ireo liana kokoa amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny kaoperativa, ny maniry hisitraka fanamafisana traikefa eo amin’ny fandraharahana ary koa ny maniry hisitraka ny tetikasa Taninketsa Indostrialy.

Sary DPE

Vous aimerez aussi...