Fampiroboroboana ny indostria: Antoka ho an’ny mpampiasa vola ny fisiana famokarana herin’aratra amin’ny faritra samihafa

Zava-dehibe ho an’ny fanodinana ny indostria ny fampitomboana ny famokarana herin’aratra mora vidy kokoa noho ny vokarina avy amin’ny solika. Mamporisika kokoa ny fampiasam-bola hahatratrarana ny velirano faha-7 n’ny filoham-pirenena, distrika iray orinasa iray, izany. Rehefa betsaka sy tsara kalitao ny angovo, marisika amin’ny fananganana indostria ny mpampiasa vola. Sarobidy ho an’ny mpandraharaha ny fisiana famokarana herin’aratra amin’ny faritra maro.
Notokanan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 1 Desambra 2022 ny tobim-pamokarana herin’aratra any Farahantsana Mahitsy. Ity toby ity, izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny orinasa italiana Tozzy Green, dia hamokatra angovo 28 MW ka hatramin’ny 136 GWh isan-taona.

Notsipihan’ny Filoha Andry Rajoelina fa ataon’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana arak’izay azo atao ny fampiasana angovo azo havaozaina azo avy amin’ny alalan’ny masoandro sy ny rano, ary efa maro ny tetikasa goavana an-dalam-panatanterahana.

Anisan’izany ny tetikasa Sahofika izay toby famokarana herinaratra lehibe iondrindra atao eto amin’ny firenena izay hatratra hatramin’ny 192MGW, ny centrale hydroélectrique Mandraka III izay hahatratra hatramin’ny 6 MGW. Eo an-dalam-pamaranana ihany koa ny dinika mba ahafahana manomboka ny tetikasa Volobe izay hahatratra hatramin’ny 120 MGW. Eo ihany koa ny fametrahana ny Antetezambato izay hamokatra herinaratra 120 MGW.
Ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria, Edgard Razafindravahy, moa dia niantso ny Sehatra tsy miankina handray an-tanana ny famokarana angovo ho ampiasainy nandritra ny fanokafana ny Fiaraha-midiniky ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina (DPP) ny 24 Novambra 2022 lasa teo.
Sary Fiadidiana ny Repoblika

Vous aimerez aussi...