Fampiroboroboana ny indostria: hanodina dipoavatra 1 taonina isan’andro ary hampiasa olona 207 eo ho eo amin’izao fisokafany izao ny orinasa QUEEN SPICES any Nosy Varika

Nahitam-bokatra ny Fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina (3P) ho an-dry zareo any Nosy Varika. Ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa Solofo Jocelyn Razafindrakoto sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, miaraka amin’ny Fitondram-panjakana no angady nananana sy vy nahitana ny fitsanganan’ny orinasa any ifotony QUEEN SPICES.

Notokanana ny 01 Aprily 2023 tao amin’ny Fokontanin’Ambandrika, Kaominina Vohilava, Distrika Nosy Varika ny orinasa izay misehatra amin’ny fanodinana sy fanondranana dipoavatra.

Hahita lalam-barotra araka izany ny mpamboly dipoavatra satria hanodina dipoavatra 1 taonina isan’andro ny orinasa. Hampiasa olona 207 eo ho eo koa amin’izao fisokafany izao. Olona avy eo an-toerana avokoa ny ankamaroan’ny mpiasa ao.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...