FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA MALAGASY

Manomboka izao dia ny kaominin’i Amboditandroho no toerana misy ny masoivoho STAR vaovao eto Toamasina. Natao anio, Alatsinainy 01 martsa 2021 ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ireo fotodrafitrasa vaovao teny an-toerana. Teo ambany fiahian’i Ramatoa Lantosoa RAKOTOMALALA, Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa Tanana no notanterahina ny fanokanana. Tonga teny an-toerana nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-panokanana ihany koa ny tale jeneralin’ny STAR Andriamatoa Marc POZMENTIER sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo manam-pahefana teny an-toerana.
Mivelatra ary lehibe ity masoivoho vaovao ity satria dia manana velarana 6.000 m2 fametrahana entana sy akora fototra, 16.500 m2 fipetrahan’ny fiara lehibe ary 2.000 m2 kosa ny fipetrahan’ny fiara kely, ny moto ary ny mpandeha an-tongotra.

Vous aimerez aussi...