Fampiroboroboana ny indostria: Nitsirika ny orinasa SAHANALA sy ny orinasa SEMA EAU VIVE ny ekipan’ny DII

Tetsy Ankazobe ka hatrany Vohémar, samy tongan’ny ekipan’ny DII na ny Orinasa SEMA EAU VIVE na ny Orinasa SAHANALA. Ny SEMA EAU VIVE moa dia misehatra amin’ny famokarana rano eny Andranovelona raha misahana fanodinana sy fikarakarana zanak’orita sy trondro ary ireo vokatra an-dranomasina ary eo an-dalam-panorenana kosa ny SAHANALA.
Nisy, araka izany, ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny DII izay dingana tsy maintsy arahina mialohan’ny hanomezana azy ireo ny fahazoan-dalana ara-panjakana avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC). Ny tanjona amin’izany dia ny hanampiana ireny orinasa ireny amin’ny fampanarahan-dalana ara-teknika sy ho fitandrovana ny tontolo manodidina ny orinasa.
Sary DII

Vous aimerez aussi...