Fampiroboroboana ny indostria: Orinasa roa mangataka fahazoan-dalana no nidinan’ny DII nanaovana fitsirihana

Ny orinasa INDEX OI SARL eny Antanimena sy ny orinasa OLDAC SARL eny Maibahoaka izay samy mpamokatra lamba (confection textile) no notsidihan’ny ekipan’ny DII eto amin’ny MICC tamin’ity herinandro ity. Izany moa dia dingana tsy maintsy arahina mialohan’ny hanomezana azy ireo ny fahazoan-dalana ara-panjakana avy amin’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Ny tanjona amin’izany dia ny hanampiana ireny orinasa ireny amin’ny fampanarahan-dalàna ara-teknika azy sy ho fitandrovana ny tontolo manodidina ny orinasa.
Sary DII

Vous aimerez aussi...