Fampiroboroboana Ny Indostria: Orinasa telo vaovao indray no nanaovan’ny DII fisafoana hahazoany fahazoan-dalana ara-panjakana

Sesilany ny fitsirihana ataon’ny ekipan’ny DII (Foibem-pitondrana misahana ny fotodrafitrasa sy ny fanavaozana) eny amin’ireo orinasa vaovao. Tamin’iny herinandro lasa iny dia ny orinasa PAUL BOYE izay misehatra amin’ny fanamboarana akanjo eny Andranomanalina Itaosy no notsidihany. Nitohy tamin’ny orinasa mpanjaitra AXELLE eny Lazaina izany ny Zoma 16 Desambra 2022.

Talohan’izany rehetra izany dia efa nisy koa ny fidinana ifotony izay nataon’ny ekipan’ny DII tany Andranomanelatra Antsirabe. Ny orinasa SOAFIARY S.A izay misahana ny famokarana sakafom-biby no notsirihina tamin’izany. Io moa dia dingana tsy maintsy arahana mialoha ny hanomezana azy ny fahazoan-dalana ara-panjakana avy amin’ny Ministera (MICC). Ny tanjona amin’izany dia ny hanampiana ireny orinasa ireny amin’ny fampanarahan-dalàna ara-teknika sy ho fitandrovana ny tontolo manodidina ny orinasa.

Sary DII

 

 

Vous aimerez aussi...