Fampiroboroboana sy fanohanana ara-teknika ny sehatry ny fandraharahana eo amin’ny vehivavy sy ny tanora
Tontosa androany 21 septambra 2021 ny asa voalohany niarahan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) sy ny Société Générale Madagasikara amin’ny alalan’ny “Maison de la PME” tetsy Analakely. Efa nanomboka ny volana febroary 2020 ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny roa tonta izay ary ny fanohanana ara-teknika sy fitantanana ireo mpandraharaha tanora no tanjona voalohany amin’izany. Natomboka tamin’ity fotoam-pizarana sy fifanakalozana androany ity ny hetsika voalohany niarahana.
Ho an’ny minisitera dia isan’ny andraikitra sahaniny ny mitoetra ho rohy manamora ireo dingana maro samihafa tsy maintsy lalovan’ny mpandraharaha hanatsarana ny tontolony.