FAMPIVOARANA NY ASAN’NY MPANAO ASATANANA
Tontosa ny faraparan’ny volana Febroary lasa teo ny famaranana ny fanamafisana ny fahefa-manao ho an’ireo mpanao asatanana, niarahan’ny MICA niasa tamin’ny FMFP sy ny Fikambanana Harena Mada, misehatra ao anatin’ny seha-pihariana sakafo sy fanodinana ny vokatry ny tany izay notontosaina tany Farafangana. Mpanao asatanana miisa 86 araka izany no nahazo fiofanana ary 70 amin’izy ireo no nisitraka ny karatra NIF/STAT.