Fampivondronana ny mpiray seha-pihariana: Nahatsangana kaoperativa 23 ny DRICC Analamanga tao anatin’ny iray volana

Mpitatitra, mpanao asa tanana, mpanodina voankazo, mpamokatra tantely, mpanao taotrano, mpanamboatra savony, mpanamaina voankazo… Maro ireo sehatr’asa resin’ny DRICC Analamanga lahatra ka nanapa-kevitra hivondrona anaty kaoperativa.
Miisa 23 ireo kaoperativa tafatsangana nandritra iny volana Novambra 2022 iny. Anisan’ireny ny:
– kaoperativa FIMPITA (Fikambanan’ny mpitatitra Tuctuc Atsimondrano) izay hita eny Andoharanofotsy,
– kaoperativan’ny mpanao asa tanana MANDRESY eny Tanjombato,
– kaoperativa FAHASOAVANA misahana amin’ny fanodinana voankazo ao Ampangabe Anosipatrana,
– MIHARY SOA kaoperativa mpanao fampiofanana eny Ankadievo Alasora,
– NANTENAINA kaoperativa mpamokatra tantely eny Analamahitsy,
– MAHOMBY kaoperativa mpanao tao-trano any Ambatolampy Tsimahafotsy,
– kaoperativa misehatra amin’ny fanamboarana savony ANDRY IRAY eny Itaosy sy RAITRA eny Ambolotara Antsahatsiresy Sabotsy Namehana,
– Kaoperativa mirotsaka amin’ny fanamainana voankazo EZAKA MAHARITRA sy fiompiana trondro atao hoe LOHARANO izay samy ao amin’ny fokontany Amparibe no nananganana azy.
Nampahafantarina azy rehetra ireo ny lalàna mifehy sy fiainana anatin’ny kaoperativa.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...