Fanalefahana ny vidim-piainan’ny mponina sy fikarakarana ny mpanjifa

Iray volana lasa izay no nametrahan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana niaraka tamin’ny Filohan’ireo fikambanan’ny mpanjifa ny vidin’entana ara-drariny. Asa notanterahana ny mitazona ireo vidin’entana ho mari-toerana tsy ampijaly ny mpanjifa. Androany kosa ho tohin’izay no nandrindran’ny roa tonta ny fomba fiasa miaraka ho fiarovana ny mpanjifa. Hidina eny ifotony miaraka amin’ny fikamban’ny mpanjifa ireo kaomisera miisa 330 sy mpanara-maso ara-barotra miisa 147 eto anivon’ny minisitera manerana ny faritra.

Amin’ity herinandro ity no hapetraka eny amin’ny tsena ny afisy mametra ny vidin’entana ambony indrindra sy hanarahana ny lalana amin’ny fitsinjarana ny entana.

Raha tsiahivina dia toy izao ireo vidiny farany ambony azo leferina eo amin’ny entana ilaina andavanandro : menaka (huile de palme) 6000ar/litatra, menaka soja antsinjarany 7000ar/litatra, menaka soja amin’ny tavoahangy mihidy 7500ar, siramamy avy any Namakia sy Ambilobe 2600ar-2800ar ny kilao, lafarina 2600ar ny kilao, vary gasy manodidina ny 2300ar ny kilao, vary nafarana 2100ar ny kilao.

Stabilisation du prix des PPN aux bénéfices des consommateurs

Le Ministre de l’Industrialisation, du Commerce et de la Consommation a tenu avec les présidents des associations des consommateurs il y a un mois pour définir ensemble les prix de référence maximum des PPN sur le marché. Les prix maximum ont été définis comme suit: huile de palme 6000ar par litre, huile de soja en vrac 7000ar, huile de soja cacheté 7500ar, sucre local Namakia et Ambilobe 2600ar le kilo et 2800ar le kilo, farine 2600ar le kilo, riz local 2300ar le kilo. Lors de la réunion de ce jour, il a été décidé d’effectuer et de coordonner ensemble des descentes systématique sur le marché afin de faire un constat des prix visibles. Les 330 commissaires et 147 contrôleurs du commerce vont être déployés au niveau de toutes les régions pour contrôler la traçabilité des produits en vente sur le marché.

Pas plus tard que cette semaine d’ailleurs, les affichettes présentant les prix maximum des PPN seront disponibles auprès des détaillants et grossistes sur le marché.

Vous aimerez aussi...