Fanamafisana ny fahefa-manao ho an’ny mpanao asatanana

Nisy ny fanamafisana ny fahefa-manao ho an’ny mpanao asatanana miisa 50 notontosain’ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Asatanana (DGA) niarahana tamin’ny CENAM, ny «Maison de l’Entrepreneuriat » sy ny FMPM izay niompana indrindra mikasika ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny asatanana malagasy. Nifampizarana nandritra ny fiofanana ihany koa ireo traikefa ara-barotra momban’ny fomba fitantanana ny filan’ny mpanjifa sy ny fitantanana ny famokarana ary koa ny fampahaizan’asa aman-draharaha ny sehatry ny asatanana malagasy.
Sary : DGA

Vous aimerez aussi...