Fanaraha-maso ny tsena: Ara-drariny ny vidin’ny entana ilaina andavanandro

Tsy misy ny fanararaotana ataon’ny mpivarotra raha ny hitan’ny mpanara-maso ny tsena avy amin’ny DPC teny Ankadindratombo androany Alatsinainy 07 Novambra 2022. Somary nanatombo kely ny saram-pitaterana alain’ireo mpitatitra entana mankeny an-toerana fa ara-drariny kosa ny vidy ivarotana azy.
Nentanina hatrany moa ireo mpivarotra mba hametraka ny vidin’entana sy hitsinjo hatrany ny mpanjifa amin’ny tsy fakana tombony mihoapampana amin’ny vidin’entana.
Tamin’ny Zoma lasa teo teny Itaosy dia nandray fepetra nampanitsy ny vidin’ny siramamy nafarana ny mpanara-maso. Rehefa natao mantsy ny fanadihadiana dia mpamongady eny an-toerana no nampiakatra tsy ara-drariny ny vidin’entany ka nampisondrotra ny teny an-tsena.
Talohan’io, ny Alarobia 02 Novambra 2022 dia ny Fokontany Tsiadana no nidinan’ny ekipan’ny DPC.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...