Fanaraha-Maso Ny Tsena: Mpamongady roa sy toeram-pivarotana lehibe iray any Mahajanga nahitana entana lany daty

Manamafy ny fidinana eny anivon’ireo distrika ny ekipan’ny DRICC Boeny ho fanaraha-maso ireo entana lany daty amidin’ireo mpivarotra amin’izao ankatoky ny fety izao. Ny herinandron’ny 7 Desambra 2022 dia mpamongady miisa roa sy “grande surface” iray ao Mahajanga no nahatratrarana entana tsy tokony hamidy intsony. Anisan’izany ny vatomamy lany daty 20 fonosana sy vatomamy 57 fonosana izay tsy nisy daty intsony, Crème BRAVO 48 tsy nisy daty. Toy izany koa ny fanadiovana (“lingettes”) 47, siramamy (“sucre glace”) 13 fonosana, voatabia amin’ny boaty 21, tsaramaso amin’ny boaty 11, legioma (“macédoine de légumes”) 10 boaty, menaka 7 tavoahangy amin’ny 5 litatra ary oliva amin’ny boaty 1 izay samy lany daty avokoa.

Teny amin’ireo kaominina manamorona ny RN4 toa an’Ambovondramanesy, Amboromalandy, Andranofasika, Ambondromamy ary Manerinerina kosa ny Zoma 16 sy Sabotsy 17 Desambra 2022 no nanaovana fisafoana. Ny 3 tamin’ireo mpivarotra 20 tao Ambondromamy no nahitana entana lany daty toy ny bisky isan-karazany 51 fonosana, Jus TIARA 8 baoritra, paty 54 fonosana, vatomamy 10 fonosana, JUMBO poulet 2 fonosana, SALTO singany 5.

Nogiazana avy hatrany ireo entana rehetra ireo. Niroso avy hatrany tamin’ny fandorana ireo entana lany daty izay mitotaly eo amin’ny 300 kg ny DRICC omaly Alakamisy 22 Desambra 2022. Teo anatrehan’ny solontenan’ny kaominina ambonivohitra Mahajanga I no nanaovana izany.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...