Fanaraha-maso ny tsena:Voahaja ny vidin’entana ara-drariny eny Mahamasina sy Anosibe

3 300 Ar ny kilao amin’ny lafarinina, 2 200 Ar ny vary tahiry ary 9 500 Ar ny menaka Hina amin’ny tavoahangy mihidy. Amin’ny ankapobeny dia manaraka ny vidin’entana ara-drariny ny mpivarotra ary voamarina ny nambaran’ny minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny mpanao gazety herinandro lasa izay.
Tsikaritra ihany anefa ny fakana tombony betsaka loatra teo amin’ny mpivarotra mpaninjara sasany rehefa avy nohamarinina ny faktiora nividianany entana. Nahitsy avy hatrany izany ary nentanina izy ireo mba hitsinjo hatrany ny mpanjifa. Nanaiky ireo mpivarotra ireo fa hanaraka ny vidiny ara-drariny voafaritry ny minisitera.
Nahitana ronono mandry lany daty koa teny an-tsena ka nentanina ny mpivarotra hanara-maso akaiky hatrany ny datin’entana izay hamidiny. Niaraha-niasa tamin’ny lehiben’ny tsena ny fidinana natao.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...