Fanaraha-maso ny vidin’entana

Nidina teny amin’ny tsena Isotry sy Mahamasina nanara-maso ny vidim-bary nafarana avy any ivelany ny avy ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Anatiny (DCI) sy ny Foibem-paritra Analamanga misahana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana (DRICA Analamanga) ny 11 Desambra 2020. Tsikaritra nandritra izany fa efa miparitaka eny an-tsena ny vary nafarana avy any ivelany amin’ny vidiny 550 Ariary ny kapoaka. Nambaran’ny Tale misahana ny Varotra Anatiny ihany koa fa misy ny vary tonga ao Toamasina amin’ny vidiny mirary hamatsiana ny faritry ny Nosy. Hitohy hatrany ny fanaraha-maso ny vidin’entana ho fitsinjovana ny mpanjifa ataon’ny minisitera.

 

Vous aimerez aussi...