Fanatsarana ny fifaninanana eo amin’ny sehatry ny indostrian-damba sy fitafy eto Madagasikara
Izany no tanjona napetraky ny Vondron’vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) nandritra ny atrikasa CLUSTER nokarakaraina niaraka tamin’ny governemanta Britanika sy ITC, atrikasa izay tafiditra ao anatin’ny fandaharana’asa United Kingdom Trade Partnerships (UKTP), ny 30 Janoary tetsy amin’ny Carlton. Ity fandraisana an-tanana ity dia natao mba hahafahan’ny mpandray anjara rehetra mifanakalo hevitra, mifandray, mifangaro ary hiara-hiasa mba hahafahana misitraka ny tombotsoa iraisana. Ramatoa Lantosoa RAKOTOMALALA, Minisitry ny MICA dia nanamafy fa ity fiaraha-miasa voalohany amin’ny governemanta britanika ity dia mitsinjo ny hanatsara ny fidirana amin’ny tsena britanika. Ny sehatry ny lamba dia sehatra stratejika izay mandray anjara amin’ny harin-karena faobe an’ny firenena (19% amin’ny PIB), ny fananganana asa sy ny fanondranana an’i Madagasikara. Ny CLUSTER dia fitaovana ilaina amin’ny fidirana amin’ny tsena manan-danja ary ahafahana miatrika ny fifaninanana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny resaka kalitao, vidiny ary fanarahan-dalàna, izay mifanaraka amin’ny Velirano faha 7 (zava-dehibe ny fampiroboroboana ny indostria any amin’ny faritra). Ny MICA dia hanantanteraka fidinana any amin’ny faritra hahafahana manosika ireo indostria, hoy ny teniny. Izany dia atao fotoana kely tao aorian’ny fandalinana sy fampahafantarana nataon’ny ekipan’ny minisitera. Ny tale misahana ny fampahaizana asa ny sehatry ny asa-tanana sy ny Tale misahana ny fampiroborobohana ny fandraharahana dia namelabelatra ny teboka manan-danja amin’ny fomba fiasa Cluster mahomby sy ny fomba fiasan’ireo kaoperativa. Eo am-pamaranana ny atrikasa dia azo heverina ny hisian’ny fivoaran’ny kalitao sy ny habetsakin’ny varotra ary ny fahalalahan’ny varotra sy fitafy eto Madagasikara.