Fanatsarana ny kalitaon’ny asam-panjakana: Zava-dehibe ny fahaizana manompo ny firenena sy mampiasa ireo traikefa norantovina eo amin’ny sehatry ny asa

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy androany 04 Novambra 2022 ny mpiofana Andiany fahadimy misalotra ny anarana Volamahitsy eo anivon’ny ENAM (Sekolim-pirenena manofana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana). Nivoitra nandritra ny lahateniny nifandimbiasana ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny traikefa norantovin’ireo mpiofana nandritra ny roa taona « ho fanompoana ny firenena ary ho famaliana ny filàn’ny vahoaka ihany koa ».
Vonona hatrany ireo 104 mianadahy Andiany Volamahitsy hifanome tanana amin’ny fanjakana hanatanteraka ny vina anaty fahadiovana.
Miandrandra fanatsarana ny kalitaon’ny asam-panjakana ankehitriny ary indrindra ny fitantanana ny raharaham-panjakana hoy ny Ray mpiahy ny Andiany Volamahitsy, Edgard Razafindravahy sady Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana. Mirary ity andiany fahadimy ity ny Minisitra mba ho fitaratra sy fahazavana eo amin’ny fampandehan-draharaha eto amin’ny firenena izy ireo.

Vous aimerez aussi...