Fanatsarana ny toe-karen’ny tanora: hatsangana any amin’ny faritra Itasy ny vovonan’ireo tanora mpandraharaha
Hanatratra tanjona lehibe iombonana ny tanora any amin’ny faritra Itasy dia ny fanatsarana ny fidiram-bola sy ny fampidirana ny tanora amin’ny lafiny toekarena. Ho apetraka any an-toerana, araka izany ny Vovonan’ireo Tanora Mpandraharaha eo anivon’ny faritra Itasy (PJEI).
Nisy ary ny fihaonana nifanakalozan-kevitra teo amin’ny DRICC Itasy sy ny solontenan’ireo tanora mpandraharaha (mpamokatra, mpanodina vokatra…) ao anatin’ny distrika 3 sy ireo mpianatra momba ny fambolena eo anivon’ny Oniversite Ravelonjato ny herinandron’ny 09 Janoary 2022. Nojerena tamin’izany ireo hetsika sy asa ho tanterahina toy ny fampiofanana, tantsoroka, fitadiavana lalam-barotra ho fampiroboroboana ny fandraharahana sy ho fanohanana ny fampananan’asa eo amin’ny tanora.
Sary DRICC