Fanatsarana ny varotra iraisam-pirenena anatin’ny COMESA
Dinihina ny hanafoanana ireo sakana amin’ny fifanakalozana ara-barotra ankoatra ny haban-tseranana.
Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fanondranana na fanafarana entana ny fahasarotana amin’ny fombafomba takiana ara-panjakana toy ny momba ny taratasy sy fepetra hafa koa ankoatra ny haban-tseranana. Iadian-kevitra etsy Ambodivona mandritra ny dimy andro, nanomboka androany Alatsinainy 25 Jolay 2022, ny hanafoanana ireo sakana ireo. Atrik’asa vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny MICC sy ny COMESA (Tsena iombonana aty Afrika Atsinanana sy Atsimo).
Navoitran’ny solontenan’ny COMESA Alice Twizeye fa ampirisihina ireo tany mpikambana hanao ezaka hanafoana ireo sakana ankoatra ny haban-tseranana ireo. Mavitrika amin’izany i Madagasikara. Nisaoran’ny Tale Jeneraly misahana ny Varotra eto amin’ny MICC, Isidore Razanakoto moa ireo manampahaizana avy amin’ny COMESA fahavononany hizara traikefa hanatrarana ny tanjona.
Firenena 19 no mpikambana ao amin’ny COMESA ka ny 14 amin’ireo, anisan’izany i Madagasikara, dia niditra anatin’ny faritra ifanakalozana malalaka. Tsena iray midadasika ny COMESA andalam-piroboroboana ny COMESA satria misanda 9,7 miliara Dolara ny fifanakalozana teo amin’ny samy mpikambana tamin’ny taona 2020 raha 1,5 miliara Dolara izany tamin’ny taona 2000. Ny 10,7%-n’ny fanondranana dia misedra sakana ankoatra ny haban-tseranana.