Fanavaozana ny seha-pihariana Lavanilina

Mankasitraka ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana ny Envirium Life Sciences
Noderain’ny ELS (Envirium Life Sciences) ny fahavononan’ny Governemanta malagasy handray an-tanana ny fanavaozana ny seha-pihariana lavanila sy hanara-maso ny fanajàna ny lalàna amam-pitsipika amin’izany. Fanapahan-kevitra hanomezan-danja ny tsenan’ny lavanila natioraly sady hitsinjovana ny fidiram-bola mendrika ny mpamboly.
Zava-dehibe ny famerenana ny fampanajana ny fitsipika amin’ny raharahan-davanila satria mpisehatra maro, na mpamokatra io na mpanafatra ny vokatra, no nandika izany tamin’ny taon-dasa araka ny fahitan’ny ELS azy. “Any Madagasikara, efa mandroso ny fanavaozana. Fotoana lehibe ho an’ny seha-pihariana lavanila izany satria ny firenena voalohany maneran-tany no mametraka ho laharam-pahamehana ny fitandroana ny filaminana anatin’ny fanajana ny fenitra sy ny lalàna. Ho anay izany dia fanantenana kalitao ho an’ity zava-manitra ilain’ny mpanjifanay ity. Manantena izahay fa dingana voalohany amin’ireo fepetra samihafa hampakarana ny tsenan’ny lavanila izao”, hoy i Christian van Osselaer, Filoha Tale Jeneraly mpiara-mitantana ny Envirium Life Sciences.
Ny famerana ny vidy farany ambany 75000Ar (18 Dôlara amerikana)ny kilao amin’ny lavanila maitso sy 250 Dôlara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena dia miantoka ny fidiram-bola mendrika ho an’ny mpamboly sy asa maharitra kokoa. Mila vokatra maharitra sy famatsiana marin-toerana koa ny mpanjifa, ny indostria mpanodina sakafo avy amin’ny vokatry ny fambolena. Mifanaraka amin’ny soatoavin’ny Vondron’orinasa ELS ny fanapahan-kevitra noraisina.
Ny Envirium dia indostria maitso mpampiasa vokatra natioraly toy ny lavanila, kakaô, kafe, manana ny foibeny any Eoropa fa miasa aty amin’ny tany afrikana toa an’i RDC Congo sy Madagasikara sy any amin’ny kaontinanta hafa koa.

Vous aimerez aussi...