Fandraharahana ara-pambolena:Hovelabelarina mandritra ny « B to B » ny 18 Jona 2022 ny momba ny TANINKETSA INDOSTRIALY

Ny mpamokatra, ireo manana tetik’asa, ireo tompom-belaran-tany midadasika ilàna fanajariana, ny mpividy, indrindra fa ny mpampiasa vola no ho ampihaonin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) amin’ny 18 Jona 2022. Manodidina ny 200 ireo mpisehatra matihanina amin’ny fandraharahana ara-pambolena handray anjara amin’ny hetsika. Ny MICC manokana dia hitondra fanazavana bebe kokoa momba ny TANINKETSA INDOSTRIALY mandritra ny anjara fotoana famelabelarany. “Ny fanodinana eto Madagasikara dia mifototra indrindra indrindra amin’ny vokatry ny tantsaha. Anisan’izany ny vokatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Ny TANINKETSA INDOSTRIALY dia fanohanana ny tantsaha na ny mpandraharaha”, hoy ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria eto amin’ny MICC Gaëtan Ramindo androany nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety niarahana tamin’ny MINAE.

Vous aimerez aussi...