Fandraharahana eny ifotony: mpikambana miisa 26 anaty fiombonana kaoperativa any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro nisitraka fampiofanana.

Nidina tany Alaotra Mangoro ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) eto anivon’ny MICC tamin’ity herinandro ity. Tanteraka ny fampiofanana ireo mpikambana miisa 26 ao anaty fiombonana kaoperativa, MIHARO sy FITARATRA misehatra amin’ny famokaram-bary. Fiaraha-miasa eo amin’ny Minisitera sy ny tetikasa PAPRIZ moa ity fanohanana ara-teknika eo amin’ny tontolon’ny fandraharahan’ny kaoperativa eny ifotony ity.
Miezaka hatrany ny MICC manatona ireo mpandraharaha eny ifotony hampiroboroboana ny seha-piharian’izy ireo sy hitondrana ny fampandrosoana ifotony.
Sary DPE

Vous aimerez aussi...