Fandraharahana eo amin’ny vehivavy eny ifotony: Nisitraka fampiofanana ary fizarana traikefa ireo vehivavy marefo mpandraharaha madinika any amin’ny Faritra Atsimo

Tontosa ny 24 sy 25 janoary 2023 lasa teo tany Beloha Faritra Androy ny fanentanana sy fampiofanana manodidina ny tontolon’ny kaoperativa ho an’ireo vehivavy misehatra eo amin’ny fandraharahana madinika (seha-pihariana : fambolena, fiompiana, fivarotana, zaitra…). Vehivavy miisa 16 no nisitraka izany hetsika nataon’ny ekipan’ny DPE (Foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana) tany an-toerana izany ho fampandrosoana ny fari-piainan’izy ireo. Marihana fa tafiditra ao anatin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny CRS Madagascar izay natao sonia amin’ny taona 2022 izao fanohanana ny vehivavy marefo tany Beloha izao. Ny 26 janoary 2023 kosa dia nisy ny fananganana kaoperativa tany an-toerana ho fanamorana ny lalam-barotra sy ny tsenam-barotr’ireo vehivavy mpandraharaha.

Sary DPE

 

Vous aimerez aussi...