Fandraharahana sy varotra ivelany: Nampahafantatra ny andraikiny tamin’ny Sehatra tsy miankina any Matsiatra Ambony ny DCE

Naharitra herinandro ny Atrikasa natao hifankahafantaran’ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra ivelany (DCE) sy ny Federasionan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (FCCIM) ary ny avy amin’ny Sehatra miankina, mpanondrana entana sy mpandraharaha any amin’ny faritra Matsiatra Ambony.

Tanjona tamin’izany ny fanamafisana traikefa, fanofanana sy fanazavana ny asan’ny andaniny sy ankilany avy. Ny DCE manokana dia namelabelatra ny momba ilay rafitra mpanao tantsoroka amin’ny fanondranana (« structure d’appui à l’exportation ») izay apetraka isaky ny faritra lalovana, nizara ny fomba entina itadiavana sy isitrahana tsenambarotra ivelany, nanazava ireo fomba atao raha hanondrana entana, ny antsipirihany mikasika ny tsena rejionaly ary ny vaovao farany mikasika ny fepetra takian’ny firenena sasany raha hanondrana any aminy. Nisy ny fitsidihana ozinina fanodinana voankazo sy legioma nialoha ny nanombohana ny Atrikasa.

Ity no Atrikasa faharoa niarahan’ny DCE sy ny FCCIM, tohanan’ny CIR (“Cadre Intégré Renforcé”), taorian’ny natao tany amin’ny faritra DIANA.

Sary FCCIM

Vous aimerez aussi...