Fandraharahana
Tanora mpianatra 50 nisitraka fampiofanana anatin’ny Pôle Stage Madagascar.
Nifarana omaly Zoma 15 Jolay 2022 tetsy amin’ny foiben-toeran’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) Analakely ity andiany faha-2 amin’ny fampiofanana Pôle Stage Madagascar ity. Natolotra ireo mpianatra avy amin’ny INFP sy ESPA ireo ny fanamarinam-pandraisan’anjara. Hiditra amin’ny fizaran’asa eny amin’ireo orinasa mpikambana ao amin’ny SIM izy ireo taorian’ny fampiofanana.
Niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana ny fampiofanana ny MICC, MTEFPLS, SIM, FES, ACPE, DHL ary ny BIANCO.
Sary DPE
