Fandraisana ny mpanjifa sy ireo orinasa mpanodina menaka ary iroe mpamokatra lafarinina

Maro ireo asa miandry eto an-toerana izay tsy maintsy hatao vaindohan-draharaha satria miatraika amin’ny andavanandron’ny vahoaka. Rehefa avy nidina ifotony nijery ny vidim-bary sy ny arina fandrehitra dia nandray ny fikambanan’ny mpanjifa sy ireo orinasa mpanodina menaka sy mpamokatra lafarinina ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra, ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy mba hamaritana ny vahaolana manoloana ny vidin’entana mihoapampana eny an-tsena. Hotaterina aminareo tsy ho ela ny fifanarahana matotra nifanaovana tamin’izy ireo mba hahafahana miaraka mametraka an’ireo vidin’entana ara-drariny.
Voarain’Andriamatoa minisitra daholo ireny hafatra nalefanareo ireny ary ny entana rehetra ilain’ny mponina andavanandro mihitsy no hitadiavana vahaolana.

Vous aimerez aussi...