Fandraisan’ny minisitra ny ambasadaoro amerikanina : Voaresaka ny fiaraha-miasa amin’i Etazonia ho fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Minisitra Edgard Razafindravahy tetsy Ambohidahy androany 12 Septambra 2022 ny Ambasadaoro amerikanina eto Madagasikara Claire A. Pierangelo. Nibahana nandritra izany fihaonan’ny roa tonta izany ny fijerena manokana ny fiaraha-miasa ho fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Isan’ny asa imasoan’ny MICC araka ny toromariky ny Filoham-pirenena ny hametrahana indostria iray isaky ny distrika amin’ny alalan’ny fandaharanasa ODOF. Nifampiresahana ny fahafahan’ny firenena amerikanina hanohana ara-pitaovana ireo ozinina fanodinana akora fototra ho lasa entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro.
Notsindrian’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana tamin’izany ihany koa ny fampivelarana ny fifandraisana entina hampandrosoana ny sehatra tsy miankina. Tafiditra amin’izany ny fanamafisana ny fanondranan’i Madagasikara vokatra mankany amin’ny tsena amerikanina. Laharam-pahamehana eo amin’ny fiaraha-miasa ny fanatsarana sy fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra ho tombontsoan’ny roa tonta sy ireo mpisehatra rehetra anatin’izany. Seha-pihariana miisa 5 moa no voakasik’izany dia ny fandraharahana ara-pambolena, ny menaka azo avy amin’ny zava-maniry, ny indostria misahana ny harena ankibon’ny tany, ny angovo azo havaozina ary ny lamba.
Samy naneho ny fahavononany ny Minisitra sy ny Ambasadaoro amerikanina hifanome tanana amin’ny fitadiavana vahaolana eo amin’ireo mety ho sakana samihafa. Izany dia entina hanatsarana ny tsena mankany Amerika sy ny tontolo ara-barotra eo amin’ny sehatra tsy miankina ho fampandrosoana ny toekarena.

Vous aimerez aussi...