Fandrindrana ny famatsiana: Namantatra ny tahirin-tsiramamy ao amin’ny orinasa SUCOMA Namakia ny DRICC Boeny

Eo am-pampiakarana siramamy anaty fiarabe ho alefa amin’ny sambo ho any Mahajanga ny mpiasan’ny orinasa SUCOMA no tonga ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra (DRICC Boeny). Nidina tany Namakia nijery ny tahirin-tsiramamy vokatra ao an-toerana izy ireo omaly Alakamisy 11 Novambra 2022. Natao izany ahafahana mandrindra ny famatsiana siramamy.
Nanomboka ny 25 May 2022 ka hatramin’ny 19 Oktobra 2022 dia mitontaly 26 048 taonina ny siramamy novokarin’ny orinasa. Ny volana Jolay sy Aogositra no ambony indrindra ny famokarana satria maherin’ny 6000 taonina izany na nandritra ny volana Jolay na tamin’ny volana Aogositra.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...