Fandrindrana ny famatsiana vary ato amin’ny tsena anatiny

Mitohy hatrany ny fandrindrana ny famatsiana ny tsena anatiny ho fiarovana ny mpanjifa. Nihaona tamin’ny fikambanan’ny mpanafatra vary avy any Toamasina androany maraina ny Ministry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana Andriamatoa Edgard RAZAFINDRAVAHY tetsy Ambohidahy ho fandaminana ny famatsiana ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. 400.000 taonina hatramin’ny 500.000 taonina ny banga tsy maintsy ho fenoina amin’ny fanafarana. Tsikaritra fa efa misy fidinany ihany ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Noho izany, tsy tokony hihoatra ny 2000 ariary ny vary hafarana tonga eo amin’ny tsena anatiny.

Vous aimerez aussi...