fandrindrana ny fampiasana ny seranan-tsambo: nihaona tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny tompon-tsambo sy mpanafatra entana

Manana seranan-tsambo maromaro isika fa i Toamasina no lehibe indrindra. Ny 85%-n’ny entana afarana sy ahondran’ny firenena dia avy ao avokoa. Miteraka fitohanan’ny sambo izany ka mampisy ny « surestarie » na sazy aloan’ny tompon’entana nafarana amin’ny tompon’ny sambo. Mampitombo ny masonkarena koa izany ho an’ny entana izay tokony amidy any amin’ny faritra hafa. Misy fiantraikany amin’ny vidim-piainana izany rehetra izany.
Sambo mitondra “containers” latsaky ny 40 pieds ihany no tafiditra ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, hoy ireo avy ao amin’ny Fikambanana matihanin’ireo Tompon-tsambo sy Mpanafatra entana eto Madagasikara (APACM), notarihin’ny filohany Paul Boulard, noraisin’ny Ministra Edgard Razafindravahy tao amin’ny biraony androany 14 marsa. Kanefa ny sambo tena lehibe kely kokoa ny hofany.
Efa miasa amin’ny fandaminana sy fitsinjarana ny fampiasana ny seranan-tsambo hafa ny Fanjakana anekehitriny, hoy ny MICC izay milaza ihany koa fa tena ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny APACM.

Vous aimerez aussi...