Fandrosoana lovain-jafy:Paikady Nasionaly ho an’ny fampandrosoana ny seha-pihariana “Éthanol” eto Madagasikara
Tontosa androany maraina ny fivorian’ireo mpikambana ao anatin’ny “Cellule Technique interministérielle du Programme National Éthanol Combustible” na CTPNEC tetsy Anosy hivondronan’ireto ministera sy departemanta manaraka ireto: ministera misahana indostria sy ny varotra, misahana ny angovo, misahana ny fandraharahana momban’ny hetra, misahana ny fadin-tseranana, misahana ny fanajariana ny tany, misahana ny fambolena, misahana fikarohana siantifika, misahana ny fitsinjaram-pahefana, misahana tontolo iainana ary ny Ivon-toerana malagasy misahana ny lalam-pihariana fary (CMCS). Teboka goavana nodinihan’ireo mpikambana izay tarihan’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Indostria eto amin’ny MICC, filohan’ny CTPNEC ny fandrafetana ny paikady nasionaly ho an’ny fampandrosoana ny seha-pihariana Éthanol eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ara-teknika ireo mpandraharaha rehetra manodidina ny éthanol sy ny fandinihana ireo fepetra rehetra mahakasika ny fahefaha-mividy eo amin’ny mponina. Ny birao tokam-pandraharahanan’ny CTPNEC dia tsiahivina fa eto anivon’ny Ministera misahana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Anosy ary miandraikitra ny fandaminana sy fandrindrana ny antontan-taratasin’ireo mpandraharaha ireo. Ho an’ny MICC, ilaina ny fandaminana eo amin’ity lalam-pihariana éthanol ity noho izy afaka mamorona asa ho an’ny mponina, manohana sy manampy ny filan’ny tokantrano malagasy ho solon’ny kitay sy harina fandrehitra. Mitaky ny hametrahana tetikady matotra sy maharitra ho an’ny fampandrosoana ary fampiroboroboana azy ity seha-pihariana éthanol ity izay mandray anjara lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.